Entrée | 1 Kintana mamony |
Mots élémentaires | 2 kintana, 3 mamony |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
7 Indro indray ianao, ry lanitra, 8 ngalingaly ery fa tony. 9 Satrinay hanentona hanitra 10 'reto kintana mamony! 11 Fa baliaka dia baliaka, 12 mipendrampendrana aok'izany, 13 toa manantsika , sariaka, 14 saingy lavitra ny tany. 15 Ireo e ny voninkazo 16 nofinay ka ho azo, 17 fa dia eny no andrandraina ! 18 tsy hanintsana doria! 19 Moa ny masonay tia, 20 raha hahirina hangaina ? |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |